Lapabe Tia Maro

Version francaise

TOKO TELO HO FANORENANA SY FANARENANA NY FIRENENA

1. Fantaro iza no diso ary aoka hiaiky heloka sy hifamela: FAMPIHAVANAM-PIRENENA

Ny ankamaroan'ny Malagasy, leon'ny lainga tsara lahatra sy tofoky ny fanarotsaronana ny hevitra mety hampisara-bazana, dia vonona hiatrika amim-pahendrena sy amim-pahatoniana ny marina momba ny:
  • ny zava-niseho tamin'ny ady ho amin'ny fahaleovantena (Sadiavahy, Menalamba, Jiny sy ny Panama, MDRM, PADESM ets.),
  • ny tao am-badiky ny krizy maro nandalovan'ny firenena mandrak'androany (1971,1972, 1973, 1975,1984, 1985, 1991, 2002, 2009).
Ilaina ny adihevitra ampahibemaso hahalalàna ny marina amin'izay zavatra niseho, mba hialàn'ny lonilonim-po ka hahafahana miroso amin'ny fampihavanana tanteraka sy maharitra.
Haharihary ho hitam-bahoaka ny vokatr'izany lohabary an-dasy izany ka ho hita eo ireo nahavita heloka sy ireo niharan'ny tsy mety. Aorian'izay dia miroso amin'ny fifonana sy ny famelan-keloka.
Tsy maintsy hovakiana bantsilana izay rehetra mety hampisarabazana ny Malagasy mba hahafahany miatrika amim-pahatoniana ny asa fampandrosoana ny firenena ho fampisondrotana ny faripiainan'ny Malagasy tsivakivolo ary indrindra indrindra mba hampiray marina ny Malagasy.
Roa ny fahavalon'io "tena fampihavanana" io :
  • Ireo sahy mandà ankitsirano fa tsy mila fampihavanana izany ny Malagasy satria hono tsy miady.
  • Ireo zay mihevitra fa vitan'ny fitenenana fotsiny ny fampihavanana, ireo zay mionona fotsiny amin'ny kabary tsara lahatra toy ny hoe: "tsara ny mihavana fa samy Malagasy isika", "aok'izay ny adiady fa andao hiara-miasa" dia arahina fifandraisan-tànana dia samy miala.

2. Fandraisan'ny fokonolona an-tànana ny fiainany sy ny ho aviny: FIARAHA-MONINA VAOVAO

Fiovan-penitra mahery vaika hakàna avy ao amin'ny fanjakana foibe ny fahefana ka hamindràna azy any amin'ny vahoaka mivantana amin'izay hanatsarany ny fiainany an-davanandro. Hamporisihina ny tsirairay handray anjara mavitrika amin'ny raharaha amin'ny sehetra rehetra eo anivon'ny fokontany misy azy. Ho jerena akaiky arak'izany ireo andraikitry maro sahanin'ny fanjakana foibe izay tokony hafindra:
  • mankany amin'ny ny faritra, hialàna amin'ny fivangongoan'ny fanapaha-kevitra aty an-drenivohitra ka mampitarazoka ny fampandehanan-draharaha.
  • mankany amin'ny fokonolona, ny fiaraha-monim-pirenena (société civile), mba hiantraika mivantana amin'ny vahoaka ny vokatsoan'ny ezaka rehetra atao ho amin'ny fandrosoana . Hapetraka arak'izany ny politika hanampiana sy hanohanana ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana, ny fandraharahana mikendry ny soa iombonana (social business, entrepreunariat social), ny fiarovana ny tontolo iainana (environnement).
  • lazaina mazava amin'ny vahoaka manontolo ny zava-misy marina (informations) mba hahafahany mandray ny fanapahan-kevitra marina sy mahomby.

3. Fanofanana ny olona hanankinana ny fampandrosoana: POLITIKAM-PANABEAZANA

Miainga amin'ny fahatsapàna fa tsy ho ary mitovy daholo ny rehetra fa samy manana ny talentany (misy ny havànana amin'ny mozika, ao ny havànana amin'ny fantanjahantena, misy ny mirona amin'ny asa-tànana ary misy ny mankafy ny asa-saina) dia faritana fa ny tanjon'ny sekolin'ny repoblika dia ny hanao izay hahafantaran'ny tsirairay ny manavànana azy ary handrosoany sy hivelarany amin'izany ka hahazahoany miaina tsara sy mamelona ny ankohonany sy hitondrany ny anjara-birikiny amin'ny fikatsahana ny soa ho an'ny tanindrazana.

Anjaran'ny sekoly ny manao izay hanomezana fahalalàna, fahaizana, fahendrena sy fitondra-tena ilaina haombiazan'ny tsirairay ny fianarany, ny fiainany amin'ny maha-olona azy ary amin'ny maha-olom-pirenena azy.
Mazava fa ny fomba azo antoka hahatafitàna ny fampianarana dia ny fanaovana izany amin’ny teny voafehin’ny mpianatra, ny tenin-drazana izany.
Hisy paika manokana hanantanterahana ny tanjona hanaovana ho amin'ny teny Malagasy ny fampianarana. Hatao vain-dohan-draharaha izany ary tsy hatao tery vay manta.