Lapabe Tia Maro

Aza miamboho adidy !

FANANGONAN-TSONIA (Pétition): Aza matahotra fa raiso ka ampiasao ny zonao

(Lapabe tia maro, Alahady 18 febroary 2018)

1. Ny pétition dia fitaovana eo am-pelatanantsika hanehoana ny maha-vahoaka andriamanjaka antsika ka RAISO SY AMPIASAO NY ZONAO:

Ny “pétition” na “fanangonantsonia” dia endrika irain'ny demokrasia mivantana, fandraisan’ny vahoaka anjara mivantana amin’ny fitantanana ny firenena. Mazava fa raha nahatontosa antsakany sy andavany ny asany ny solombavambahoaka ka niantso mafy sy ampahibemaso ny filohan’ny repoblika nampahatsiahy azy fa adidiny ny manangana ny HCDDED satria izany no voalazan’ny lalampanorenana dia tsy ho nila nanao izao petition izao isika.

2. Tsy fanenjehana na fanohanana ny mpitondra fa fandraisana anjara amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena amin’ny tokony ho izy ny fanaovana pétition ka AZA MATAHOTRA MANAO SONIA:

Efa hitantsika ary novidiantsika lafo ny filatsahana an-dalambe hilazana amin’ny fitondrana ny tsy mety ataony. Tsy voafehy ka niafara hatrany amin’ny fanonganam-panjakana izany ka nampikorosy fahana ny firenena. Ny pétition dia fomba iray hafa hanehoantsika amin’ny mpitondra fa manaraka sy mandray anjara amin’ny fampandehanana ny raharahampirenena isika. Arakaraky ny habetsahan’ny isan’ny sonia no hahataitra ny mpitondra hijery ny fangatahana.



Raha hanoratra aminay dia tsindrio io ambany io:
Lapabe Tia Maro