Lapabe Tia Maro

Aza miamboho adidy!
Version francaise

“KRIZY LAVARENY, FIVERENANA IFOTONY, FOKONOLONA...”, FANTARO DAMA OLOM-PIRENENA

(Lapabe tia maro, Alahady 17 Jona 2018)


Teto amin'ity pejy “LAPABE TIA MARO” ity (“Fifidianana Filoha 2013” no anarany tamin'izany) dia navoakanay ny resaka nifanaovan'i DAMA (avy ao amin’ny tarika MAHALEO) tamin'ny haino aman-jery iray tamin’ny taona 2012.
Avy amin'io no nisintonanay ny fahazahoanay ny fijerin'i DAMA olom-pirenena.
Misy mantsy ny antso fanangonan-tsonia (pétitions) miparitaka eny amin’ny tambazotra miantso an'i DAMA hilatsaka ho filoham-pirenena. Heverinay ho adidy ny hahalalanareo izay heviny amin’ny maha-olompirenena azy alohan’ny hanapahanareo hevitra raha mety hahasoa na tsia izany filatsahany izany.
Mamakia finaritra ary!

1. NY ANTON’NY KRIZY LAVARENY:

Izao zavatra mitranga iainantsika izao (krizy) hoy DAMA dia fisehoana ivelany ihany.
Ny olana fototra mahatonga an'io krizy lavareny io dia ity Madagasikara manankarena (ranomasina, velarantany, ankibon'ny tany,toe-tany maro karazana, teny malagasy iombonana, tanora maro anisa, talenta, tsy fisian’ny ady sisintany...) nefa ny Malagasy tsy velon-komana, tsy velon'i Madagasikara akory. Ny anton’izany dia satria misy antokon'olona vitsy an'isa mifandimby mitsentsitra, mitavana ary manao ampihimamba ny harempirenena.
Ny krizy iainantsika dia ny fifandimbiasan-toeran'izy ireo.
Ny fahantran'ny Malagasy maro an'isa tsy mahazo avara-patana, difotra anaty rotoroto-piainana sy ny fahasahiranana dia mahatonga azy ho mora rangitina sy fendrofendroana.
Araraotin'ireo tsy mataho-tody izany hanosehana ny vahoaka hilahatra an-dalambe. Ary sanatria dia toa atao mihitsy aza ny hisian'ny maty, maro raha azo atao, mba hahatontosa ny fifandimbiasan-toerana kendreny.

2. NY VAHAOLANA HAMPITSAHARANA NY KRIZY LAVARENY:


Ny làlana azahoana manao "AOKA IZAY" an'io krizy lavareny io hoy ihany DAMA dia FAMOHAZANA NY VAHOAKA AMIN’NY TORIMASONY HAHATSIARO FA AZY NY HAREN'I MADAGASIKARA KA HAMPITRAKA AZY HIADY HAMETRAKA IREO HARENA IREO HO HAREMPIRENENA.
Izany famohazana ny valalabemandry izany dia mandalo amin'ny:
1. Fanokafana sehatra hampihaonana ny fahaizana amam-pahalalàn'ny nahita fianarana sy fahaizana amam-pahalalàn'ny sekolimpiainana eny ifotony
2. Filatsahan'ny manam-pahaizana miaraka amin'ny vahoaka hifanandrina amin'ny mpitondra fanjakana ka hanosika azy hijery ny fitantanana ny harempirenena mba hahazoan'ny besinimaro tombotsoa
3. Fanabeazana ny mpiaramonina mba hisokafan'ny sain'izireo ka tsy ho voafitaky ny lainga tsara lahatr'ireo mpanao politika intsony.

3. ANTOKO ANKAVIA, ANTOKO ANKAVANANA:


Ny safidy fiverenana any ifotony miainga avy any amin’ny fokonolona dia safidy politika fa tsy tokony haraikitra ao amin’ny lalam-panorenana. Nilaza i DAMA fa telo ny tokony hisafidianan’ny vahoaka Malagasy:
1. Ireo mivoy ny fiverenana ifotony ka manome fahefana ny fokonolona
2. Ireo mivoy ny fanatontoloana sy fahalalahana ara-toekarena (liberalisma ekonomika)
3. Ireo izay mampiaraka ireo fotokevitra roa ireo




Raha hanoratra aminay dia tsindrio io ambany io:
Lapabe Tia Maro